DIGY MITSOFOKA

AMBOHITRIMANJAKA Tsy lany sasaka ny gisa tokony namidy tamin’ny fety


  • Alakamisy 09 Janoary 2025

Toerana tena malaza amin’ny fivarotan-gisa ny digy mitsofoka mankany Ambohitrimanjaka

rehefa fetin’ny Krismasy sy ny taom-baovao. Tsy araka ny nanampoizana azy anefa ny fety tamin’ity taona 2025 ity raha araka ny fitarainan’ireo mpivarotra izay marihina fa mpiompy avokoa ny ankamaroany. Tsy lany sasaka akory mantsy ireo gisa tokony namidy tamin’ny fety. Raha nivarotra gisa miisa 20 ny mpiompy iray ohatra dia tsy nahalafo afa-tsy 5 monja tamin’ny fety teo. Raha araka ny fanazavan’izy ireo hatrany anefa dia efa mba nampidininy ihany ny vidin’ny gisa tamin’ity taona ity. Efa nisy 50.000 Ar izany raha tokony ho 70.000 Ar. Tena mbola tsy nahasahy ihany anefa ny ankamaroan’ireo olona tonga nanontany gisa teny an-toerana. 30.000 Ar ny ankamaroan’ny lelavola teny am-pelatanan’ny tsirairay izay Reny akoho na gana iray lehibe no sahaza azy hoy hatrany ireo mpivarotra. Ahitana taratra ny fahasahiranana sy ny fitontongan’ny fiainan’ny isan-tokantrano izany hoy hatrany izy ireo. Mbola hitohy hatramin’ny faran’ity volana Janoary ity araka izany ny fivarotan-gisa tanterahin’izy ireo ho famaliana ny hetahetan’ireo mpanjifa mbola hifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao 2025….
Pati
Legende : Mbola maro azo hisafidianana tahaka izao ny gisa eny amin’ny digy mitsofoka an’Ambohitrimanjaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT