Actualités

Digue Andohatapenaka Nahitana lehilahy maty feno ratra


  • Sabotsy 21 Jona 2014

Nahitana lehilahy maty feno ratra omaly antoandro teny amin'ny Somagel Andohatapenaka, lalana mihazo an'Ivato.

Olon-tsotra sendra nandalo no nahita ny razana izay marihina fa efa tsy nisy nahafantarana azy intsony. Rotidrotiky ny antsy ny tarehiny niampy mangana tamin'ny faritra maro. Niantso avy hatrany ny mpitandro ny filaminana io olona io ka tokony ho tamin'ny 12 ora sy sasany tany ho any no tonga teny an-toerana ireto farany. Raha araka ny tombana dia manodidina ny 30 taona mahery ity lehilahy maty ity. Efa novoin'olon-tsy fantatra tany ho any izy io vao nisy nanary teny amin'ny digue, raha araka ny tombana ihany. Ny alakamisy alina nifoha omaly zoma moa raha ny vinavina ihany no nanariany ny razana teny an-toerana. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT