DIDIM-PITSARANA HOSOKA

Mpisara-panambadiana 11 voasoloky an-tapitrisany


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

Mpivady miisa 11 nikasa hanao fisaraham-panambadiana avy any amin'ny distrikan'i Bealanana no voasoloky vola an-tapitrisany.

Nilaza ho mpiasan'ny fitsarana ilay mpisoloky ka miteny ho mahavita sy mikarakara ireo raharaha ireo. Rehefa nivoaka anefa ireo didim-pitsarana ka nentina hanaovana fisoratam-panambadiana vaovao dia fantatra fa tsy manan-kery.Nisy ny fitoriana napetrak'ireo voasoloky ka natao ny vela-pandrika nentina nisamborana ilay olon-dratsy. Voasambotra vokatr’izany ilay rangahy mpisoloky. Raha araka ny fantatra dia didim-pitsarana nivoaka avy eto Antananarivo ilay izy raha tokony ny TPI Antsohihy no fitsarana mahefa amin’ io faritra io. Mampahatsiahy hatrany araka izany ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy fa maro ireo olona milaza ho mahavita mikarakara raharaha toy ny fisaraham-panambadiana tahaka izao saingy ny tsara indrindra dia manatona ny tompon’andraikitra hatrany hisorohana ny vola very sy ny mety ho fahadisoam-panantenana.
Pati
Legende : Ity ilay rangahy mpisoloky sy ireo didim-pitsarana hosoka nampiasainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT