Actualités

Didier Ravoahangiarison sy Lolot Ratsimba : Nolavina ny fangatahana fahafahana vonjimaika


  • Sabotsy 23 Janoary 2010

Tapa-bolana katroka izao no nampidirana am-ponja ny Talenny onjam-peo Fahazavana Ravoahangiarison Didier sy ny mpanao gazety ao aminity onjam-peo ity ihany Lolot Ratsimba.

Tamin’ity herinandro ity dia nangataka fahafahana vonjimaika ho azy mianaka ireto ny mpisolovava azy. Nolavin’ny Fitsarana anefa io fangatahana fahafahana vonjimaika io. Noho izany, dia nampakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana ambony avy amin’ny fiarovana, araka ny fanazavan’ny mpisolovava azy roalahy, Maître Ranarivony Stephenson Rolland. Amin’io herinandro io no hamantarana ny valin’izany fampakarana izany, araka ny vaovao ihany. Ezaka efa nataon’ireo mpisolovava ny fanafainganana ny fitsarana azy ireo. Raha tsiahivina dia nampangaina fa niray tsikombakomba tamin’ny fihokoana nataon’ireo miaramilan’ny “Régiment d’Appui et de Soutien” i Lolot raha namoaka ny vaovao momba ity raharaha ity ny Alatsinainy 28 desambra lasa teo.

Manoloana izao loza mihatra amin’ny asa fanaovan-gazety izao moa dia misy ireo hetsika ataon’ireo mpanao gazety hiarovana ny asa sy ny hoaviny. Taorian’ny antso an-taratasy natao tamin’ireo masoivoho rehetra monina sy miasa eto amintsika, dia nitodika tamin’ny Groupe International de Contact tarihin’Ingahy Jean Ping ihany koa ireo mpanao gazety, nandritra ny fotoana nandalovany teto an-toerana. Efa any am-pelatanan’ny Amnesty International koa ity raharaha ity. Ho an’ny eto an-toerana moa dia mivondrona mangataka ny famoahana tsy misy fepetra sy tsy misy hatak’andro azy mirahalahy mianaka ny mpanao gazety ary dia manao ranolava ireo fanambarana fanamelohana izao fanagadrana mpanao gazety izao.
 
Soa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT