Nisavoritaka ny mpiserasera amin’ny “facebook” ny alahady 3 septambra teo noho ny fielezan’ny resaka fa nodimandry ny amiraly Didier Ratsiraka, izay efa hananika ny faha-81 taonany.
Resabe hatrany anaty fiarahamonina io. Nandeha ny fifanontaniana vaovao na tany anaty fiara fitateram-bahoaka na tamin’ny alalan’ny antso an-tariby momba ilay resaka niely. Nipoitra tampoka ny Amiraly Ratsiraka omaly notronin’ny olony. Mazava ny valin-kafatra nalefa tao amin'ny pejy fesiboky Arema Tsy Mandohalika, fa “Mbola tsara ny Amiraly sy ny AREMA". Toa midika fa mbola vonona sy sahy ary tsy mbola milavo lefona amin’ny sehatry ny politika. Tsy vao izao no notsahoana fa maty ny tenany. Misy matahotra sy miahiahy ny anton’ny fahanginany amina lafin-javatra maro miseho eto amin’ny firenena toy ny tsy fanehoan-kevitra amin’ny toe-draharaha politika, ka mandranitra azy hiteny sy haneho hevitra ve ? Mety misy ve fifandraisany amin’ny fanambarana nataon’ny taiza politikany iray, izay nilaza hirotsaka hofidiana filoham-pirenena na tsy mbola nanambara ny fisintahany teo amin’ny sehatra politika aza ny amiraly ? Sa ny mpitondra fanjakana no mitady zavatra hanariana dia ny vahoaka tsy hifantoka amin’ny tsy fahombiazany ? Sa kosa ny AREMA ihany no ambadik’izao toe-javatra izao, mba hoenti-mampalaza sy miverina eo amin’ny tontolo politika ? Ny azo heverina aloha, dia tsy hilaozan’ny ambadika politika ity toe-javatra ity, ary tokony hosokafana ny fanadihadiana lalina, satria nampisavoritaka saim-bahoaka iny resaka iny.
Tsy mety fay
Tsy nampiova ny mpikirakira ny tambajotra “facebook” ny nanagadrana an’i Hiary Rapanoelina hatramin’izao. Teo ihany koa ilay lehilahy nanely tsaho tamin’ny filazana fa nirodana ny tonelina Ambanidia, izay efa notanana tany am-ponja. Mirarakopana ny vaovao tsy marina sy ny fifandranitana na fanompana olona an-kolaka sy mivantana, ka ny mpanao politika no tena lasibatra. Mahagaga ny tsy fandraisan’ny mpitondra fanjakana andraikitra, kanefa azo atao tsara ny manenjika ireo olona mpanao izany. Ny mpitandro ny filaminana Malagasy rahateo efa manana traikefa amin’ny fikirakirana ny teknolojia amin’ny alalan’ny famantarana ny adiresy IP (Internet Protocole) sy ny IMEI (International Mobile Equipment Identity), hahafahana mamantatra ny finday na solosaina sy ny toerana niaigan’ny tsaho na hafatra mamoafady.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.