Diaspora Malagasy atsy Maurice

Hanangana rafitra matanjaka sy miray feo


  • Talata 09 Desambra 2025

Tontosa tao amin’ny efitrano Alex Vellin ao

Beau-Bassin ny fihaonana ofisialy voalohany nataon’ny Malagasy monina any Maorisy. Olona an-jatony no tonga ny 7 desambra teo: mpiasa, mpianatra, sendika, mpandraharaha, matihanina ary solontenan’ny taranaka Gen X, Y ary Z. Hetsika manamarika dingana vaovao amin’ny fananganana rafitra matanjaka sy miray feo ho an'ny diaspora. Nisy n fidiran’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika Michael RANDRIANIRINA, ka nandritra ny antso an-tariby 30 minitra, dia nihaino ireo olana sedrain’ny Malagasy any an-toerana ny tenany. Notsindriana ny olan’ny taratasy sy ny fitantanana. Niresaka ny fahasahiranana eo amin’ny asa sy ny fiarahamonina. Nampitaina ny tsy fahampian’ny fanohanana ara-panjakana. Ary indrindra, ny olan’ny pasipaoro fohy fe-potoana. Nangatahana mazava ny fiverenana amin’ny pasipaoro 10 taona. Notsindrin’ny diaspora ny fanatsarana ny fitantanan’ny masoivoho. Nangatahana ny fanendrena Masoivoho mahafehy ny tontolon’i Maorisy. Tsy ho tambiny ara-politika na tombontsoa ho an’ny mpanambola izany. Fa tena solontenan’ny vahoaka. Nohamafisin’ny Filohan’ny Refondation fa tohanan’ny Fanjakana tanteraka ity vina ity. Ankoatra izay, nofidiana nandritra io moa ny Birao Maharitra hitantana ny asa iombonana, ka i Rojo Claudino ANDRIANASOLO no lany ho Filohan’ny Diaspora Malagasy ao Maorisy. Manampahaizana amin’ny diplaomasia sy fifandraisana iraisam-pirenena izy. Manana mari-pahaizana ambony amin’ny finance sy administration. Ary mamarana Doctorat amin’ny toekarena sy fampandrosoana. Laharam-pahamehan’ny ekipany ny: fiarovana ny mpiasa Malagasy, fanampiana ara-taratasy sy fiarovana ny zon’ny mpiasa, fanohanana ny mpianatra, fampiraisana sy fanamafisana ny feon’ny diaspora. Hatsangana ny CEMM – Cercle Économique Maurice Madagascar. Izy io dia kasaina ho lasa Chambre de Commerce eo amin’ny firenena roa tonta. Tanjona ny hanamafy ny fifanakalozana ara-toekarena. Hanohana ny mpandraharaha Malagasy. Hanatsara ny fampiasam-bola. Hametraka fiaraha-miasa maharitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT