Voasakana tetsy Ankadilalana ireo mpampianatra FRAM raha saika hihazo an’i Tsimbazaza sy hihaona amin’ireo solombavambahoaka omaly. Nisy indray mantsy ny hetsika nataon’izy ireo rehefa tsy nahenoan-teny andro vitsivitsy
Nifampitaona tetsy anoloan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izy ireo talohan’ny nanaovana diabe hihazo ny lapan’ny Antenimieram-pirenena. Tsy lasa lavitra anefa fa efa niatrana teny amin’ny lalana nalehan’izy ireo ny Emmo-reg. Nilaza ny mpitarika ny hetsika fa tsy hihemotra intsony na inon-kidona na inon-kihatra. Tetsy an-kilany, raha nanazava ny mpitandro ny filaminana tamin’ny alalan’ny komandin’ny CIRGN dia nilaza izy ireo fa tsy hamela ireo mpampianatra hihazo ny lapa satria tsy nahazo fahazoan-dalana. Hatreto aloha izany dia mbola mafampana ity resaka FRAM ity. Ho an-dramatoa Bakoly, iray amin’ireo mpampianatra nanao fihetsiketsehana dia nambarany fa tena tolona ho an’ny fanabeazana ny taranaka sy ho tombontsoan’izy ireo izao atao izao. Na eo aza ny fitakiana ny hidiran’ny mpampianatra miisa 15 000 ho mpiasam-panjakana dia takian’izy ireo ihany koa ny hahamaimaimpoana ny fampianarana. Nomarihany fa tsy misy ambadika politika mihitsy izao hetsika atao izao. Mbola mitohy anio ny hetsika raha ny fantatra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.