Zary lasa fiainan’ny maro hatramin’ny nanombohan’ny fihibohana no mankaty ny fandehanana dia an-tongotra ho an’ireo izay tsy maintsy mivoaka ny trano.
Betsaka ireo velon-taraina noho izany saingy betsaka ihany koa anefa ny vokatra tsara aterak’izany eo amin’ny fahasalamana. Izany ohatra no anisan’ny antony mahalava velona ireo olona any ambanivohitra miampy ny rivotra madio lavitry ny setroka sy ny sakafo matsiro. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Rado Razafindratsimba dia mitaiza fo ny fandehanana dia an-tongotra araka ny tokony ho izy isan’andro. Ora roa isan’andro ihany anefa izany dia ampy ho an’ny olona matanjaka raha 30 minitra ka hatramin’ny ora iray kosa ho an’ireo efa zokinjokiny ,araka ny fanazavany. Anisan’ny lafy ratsy mety ateraky ny fandehanana dia an-tongotra be loatra kosa, hoy hatrany izy ny fijanonan’ny fo tampoka, indrindra raha hatao drindrangilo sy be loatra izany. Anjaran’ny tsirairay araka izany ny mandanjalanja mba hampirindra araka ny tokony ho izy ny toe-pahasalamana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.