Actualités

DHL Express Madagascar Mifanaraka sy eken’ny lalŕn’ny Vondrona eoropeanina


  • Talata 02 Septambra 2014

Nahazo ny fankatoavana RA3 na «Agent Réglementé Opérant ŕ partir d’un pays tiers» izay lalŕna vaovao mifehy ny filaminana ana habakabaka EU859 eo anivon’ny Vondrona eoropeanina ny DHL Express Madagascar

Lany tamin’ny volana aogositra 2011 ary nihatra nanomboka ny febroary 2012 ity lalàna vaovao mitaky amin’ireo fiaramanidina mpitatitra entana sy taratasy  tsy mpikambana miditra ao amin’ny faritry ny habakabaky ny Vondrona eoropeanina ny fanarahana ireo feni-pilaminana mialoha ny fampiakarana ireo vokatra aondrana miainga avy amin’ny firenena ivelany toa an’i Madagasikara. Midika ho mari-pitokisana amin’ireo tolotra aroson’ny orinasa DHL ankapobeny ary ny DHL Express Madagascar manokana ny fahazoana ny RA3, hoy ny tale jeneraly Rakotondraibe Mamy. Nisongadina moa ny firoborobon’ny fanafarana entana amin’i Etazonia, Frantsa ary China  sy ny fanondranam-bokatra any Angletera, Etazonia ary Frantsa ho an’ity orinasam-pitateram-bokatra goavana iraisam-pirenena aty amin’ny faritra Afrika Atsimon’i Sahara. Nanamarika ny enim-bolana voalohany rahateo ny fitombon’ny fifanakalozana eo amin’ny sehatry ny angovo, hairaha ary ny tolotra ara-pitantanana. Hanokatra toeram-pivarotana 100 vaovao ny orinasa mialoha ny faran’ny taona 2014 izay efa manana 3.500 mahery manerana an’i Afrika ankehitriny, hoy i Charles Brewer, tale jeneralin’ny DHL Express Afrika Atsimon’i Sahara

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT