Lehilahy lehibe manodidina ny 60 taona eo ho eo antsoina hoe : Derasolo no voadonan’ny moto ny Alarobia hariva teo ka naterin’ilay nandona azy teny amin’ny hôpitaly.
Tsy hita intsony anefa ilay olona nanatitra azy raha araka ny fampitam-baovao ka navoakan’ny hôpitaly ity rangahy ity. Eo an-danin’izay dia tsy fantatra ihany koa izay havany. Etsy amin’ny tsenan’i Mahamasina ny lehilahy no maka aina sy miandry izay olona afaka hanampy azy omaly koa hanaovana antso avo amin’ireo fianakaviany na izay olona mety mahalala azy.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.