Depiote voaheloka 10 taona an-tranomaizina

Haverina hosamborina i Roméo Ramanatanana ?


  • Alatsinainy 24 Novambra 2025

Nampahafantatra ny Ministeran’ny Tontolo

Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) fa nisy raharaha trafikana sokatra izay nahasaringotra ny solombavambahoaka voafidy tao Soavinandriana Roméo Christophe Ramanatanana, izay tratra nitondra sokatra maro be tamin’ny volana Desambra 2024. Nitarika ny fampidirana am-ponja azy, ary nisy aza ny fanamelohana 10 taona an-tranomaizina, lamandy 60 Tapitrisa Ar, raha 4 taona sazy mihatra kosa no azon'ireo hafa voapaingotra niaraka taminy, miampy lamandy 2 Miliara Ariary. Taty aoriana anefa dia nisy ny famoahana azy indray, ary tazana teny Iavoloha nanao sambody niaraka tamin’ireo depiote teny Iavoloha ny 230 oktobra 2025. Nilaza MEDD araka ny ambarany fa andraikiny sy ho fampiharana ny « procédures légales », fa nametraka « requête » tamin’ny tompon’andraikitra ara-pitsarana mahefa, mba hijerena akaiky sy hanapahana hevitra hentitra momba ity raharaha ity. Nampahatsiahy fa ny fiarovana ny harena voajanahary eto amintsika, indrindra ireo karazanjavamananaina atahorana ho lany tamingana, dia andraikitra tsy maintsy raisin’ny rafitra rehetra ary laharam-pahamehan’ny firenena. Tsy misy ambonin’ny lalàna, ary ny endrika fanimbana na fanitsakitsahana ny harena voajanahary dia tokony hosazina araka ny lalàna sy fitsipika manan-kery, hoy io Minisitera io. Nanambara fa manamafy ny fitokisany amin’ny rafi-pitsarana mijoro eto amin’ny firenena, ary vonona tanteraka hifanome tanana amin’izy ireo. Miantso ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay izahay amin’ny fiarovana ny harena voajanahary, izay harena iombonana ho an’ny taranaka ankehitriny sy ho avy, hoy ny MEDD, izay nilaza fa mamela tanteraka ny fitsarana hanao ny asany ao anatin’ny fahitsiana, fahaleovan-tena ary ny mangarahara. Nosokajiana ho gadra politika i Roméo Christophe Ramanatanana dia navoaka ? Iza no namoaka azy ? Hosamborina indray ? Mbola eto sa efa niporitsaka any ivelany ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT