Actualités

Depiote TIM sy MAPAR Niara nijoro tao Ambohimanarina


  • Alatsinainy 21 Jolay 2014

Taorian’ny lanonana tsotra fanolorana fitaovana ( telefaonina finday, fanamiana, “lampe de poche”, kiririoka) hoan’ireo vaomieran’ny fandriampahaleman’ireo fokontany 31 ao amin’ity Boriborintany ity izay notarihan’ny Lehiben’ny distrika Antananarivo-VI, Tsiry Nohary

Andrianina, teny amin’ny sehatra maitson’Anosivavaka, dia nanatanteraka niaraka ny tatitry ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena natrehan-dry zareo ny solombavambahoaka mirahavavy lany teny amin’ity Boriborintany ity dia Rasoanoromalala Marie Horace sy Raherisoa Vololona Victorine na dia samy hafa firehana aza. Noporofoin’ireto solombavambahoaka mirahavavy ireto fa efa vita tany amin’ny fampielezan-kevitra ny fifanasana vangy sy fifamelezana fantsy isan-karazany fa efa andro fijerevana ny tombontsoam-bahoaka izao. Azo ambara ho firosoana any amin’ny fampihavanam-pirenena marina izao fihetsika nataon’ireo depiote lany tamin’ny anaran’ny Ankolafy Ravalomanana sy tamin’ny anaran’ny Mapar ireto. “Ny tonga miaraka dia fanombohana fa ny miasa miaraka no tena fahombiazana  mitondra any amin’ny fampihavanana”, hoy ny depiote Horace. “Efa ambarako ombieny ombieny”, hoy ny depiote Vololona, “fa mila fitoniana ny vahoaka ka anisany fahatrarana izany izao fanomezana fitaovana hoan’ny mpitandron’ny filaminana ety anivon’ny fokontany ataonay izao. Leo krizy isika sy ianareo vahoaka ka hiarahana ny fampandrosoana an’Ambohimanarina manomboka izao”.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT