Actualités

Depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel Tokony hisy fifanarahana politika vaovao hatao hisian’ny fitoniana


  • Talata 29 Jolay 2014

Izaho mahita, hoy ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel taferasa tamin’ny mpanao gazety maromaro, amin’ny toe-draharaha p pôlitika misy eto amintsika, ny vahaolana amin’ny savorovoro misy ankehitriny dia tsy misy afa-tsy ny fifanatonana sy fifampidinihana ka amoahana fifanarahana pôlitika vaovao eken’ny mpanao pôlitika hiaraha-miasa fa raha mbola samy hanana ny heviny beloha eto dia vao mainka hilentika lalina i Madagasikara ka rahoviana indray vao afaka amin’ny vahohon’ny mpanjanaka ny vahoaka ?

Ilay fifanarahana pôlitika dia tokony hatsapana fa misy hery samihafa eto amin’ny firenena raha tarafina amin’ny eny amin’ny Antenimieram-pirenena ka tsy azo atao tsinontsinona ireo vondron’antoko manana maro an’isa tahaka ny Mapar (depiote 49), Ankolafy Ravalomanana (depiote 20), MMM (depiote 14) ka tsy tokony hirehareha ny HVM fa depiote tsy miankina teo aloha efa be nifanaraka tamin’ny vondrona Patram ireo lasa nifanaraka aminy ireo indray. Amiko, hoy ity depiote ity, raha nilaza fohy ny heviny mikasika ny fanagadrana mpanao gazety farany teo izy, dia nanambara fa tsy misy firenena handroso tsy misy tsikera izany ka tokony ho raisina ho fanitsiana ireny nataon’ny mpanao gazety ireny. Teny amin’ny lanonan’ny fikambanana Zandranavalona nankalaza ny Alahamady 2014 teny Anosimanjaka ny sabotsy teo moa no nanambaran’ity depiote ity ireo rehetra ireo ary tamin’ny maha Ampanjakan’Ikongo azy koa no nanambarany mikasika ity hetsika nanasana azy ity fa feno 100% ny fepetra fanaovan’ny Andriana lanonana teny Anosimanjaka tamin’io sabotsy io satria tsy tongatonga ho azy ireo trangan-javatra niseho teny (andro manjombona nanerika be, omby ho vonoina nirifatra tany an-tanimbary, fiverenan’ny Zanadranavalona maro am-bala indray sns…), tokony hifoha isika Malagasy  ary manana adidy hiaro ny taniny ny Andriana, hoy izy. Tonga ny fotoana tokony hampisehoana firaisankina ao anaty fotoana fohy ka hifampidinihana sy hifanakalozan-kevitra marina ho fampandrosoana ity firenena ity ka hanandratra ny maha-izy ny tena fa tsy hiantehatra amin’ny vahiny lava izao. Kihon-dalana lehibe hoan’ny firenena izao andro izao. Samia misaintsaina !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT