Tsy hikely soroka mihitsy ny tenako hikatsaka izay hahasoa ny Distrikan’Antsirabe II nahavoafidy ahy, hoy ny depiote Ravelohanitra Nirina......
. Nilaza ity farany fa hiezaka hijery ifotony ny maharary ny vahoaka, ao anatin’izao tsy fisian’ny fivoriana eny Tsimbazaza izao ka hitondra ny feon’izy ireo ny amin’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna. Tsy hohadinoina, hoy izy, ny fanaovana ny tatitry ny zava-nisy nandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany natrehanay solombavambahoaka izay. Antitranteriko ny teny efa nambarako fa ny tenako dia tsy manana tanjona hotratrarina afa-tsy ny fampandrosoana ny Distrika misy ahy mirindra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Mahafaly ahy ny milaza amin’ny vahoakan’ity Distrika iandraiketako ity fa hisy ny fijerena manokana an’ireo kilonga mpianatra amin’ny fidiran’ny taom-pianarana ho avy (2014-2015) io. Mbola fijerena izay mahasoa ny Distrika ihany koa ny anton’ny diako tany Afrika sy Chine vao tsy ela akory izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.