Depiote Ramilison Nomenjanahary

«Be loatra ny tsy an’asa, tsy azo jerem-potsiny »


  • Alakamisy 22 Aogositra 2024

Sahirana ny ankamaroan’ny Malagasy. Marobe ireo tsy an’asa indrindra fa ny vehivavy ka anisan’ireny ny ao amin’ny distrikan’i Faratsiho

Na mpanao lalana aza izahay hoy ny Depiote Ramilison Nomenjanahary voafidy tany an-toerana dia tsy afaka ny hijery fotsiny noho ny hamaroan’ny fitarainana voaray. Tao anatin’ny 2 volana latsaka nahalany azy dia tsy mitsahatra ny mitety ireo Kaominina ao amin’ny distrika iadidiany izy ka anisan’ny vahaolana hitany ny fanomezana fiofanana ny vehivavy. Miisa 450 vavy avy amin’ny kaominina miisa 9 noho izany no efa nomeny fiofanana momba ny zaitra ka aorian’ny fiofanana dia kasain’ity Depiote ity sy ny vadiny omena milina fanjairana ireo vehivavy ireo arahin’ny fitadiavana toerana hahafahany mivarotra. Tanjona araka izany ny tsy hiankinan’ireo vehivavy mananontena amin’olon-kafa intsony amin’ny famelomany ny ankohonany raha ho fanatsarana ny fidiram-bola ao an-tokantrano kosa no tanjona ho an’ireo vehivavy manam-bady. Nohatevenina ihany koa moa ny traikefan’ireo vehivavy ireo momba ny fambolena sy ny fiompiana mba ho tombontsoany hatrany.
Pati
Legende : Tompon-kevitra tamin’ny fanofanana ny Solombavambahoaka Nomenjanahary Ramilison !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT