Hikarakara fanangonana tolo-tanana hanampiana ny tanindrazana ao anatin’izao ahamehana ara-pahasalamana izao ireo Malagasy monina atsy La Réunion ny sabotsy izao manomboka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva, ora any an-toerana.
Tsy voafaritra mazava ao anaty fanentanana moa hoe mankaiza ny tolo-tanana dia atao inona fa dia ny adidy vita ny fahafinaretana ho azo, hoy ny voasoratra. Misy araka izany ny fanentanana isan-karazany sy tranoheva ahitana ireo sakafo mampiavaka isaky ny faritany 6 eto Madagasikara ao anatin’izany rehetra izany. Voaasa manokana hanotrona ity hetsika tolo-tanana ity moa ny solombavambahoakan’i Mahajanga voalohany, Lalao Rahantanirina, fantatry ny maro amin’ny hoe depiote Nina. Ity farany izay nahoraka ny herinandro lasa iny fa nivoaka any amin’ity nosy rahavavy ity noho ny antony ara-pahasalamana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.