Efa nisy ny depiote nanolotra manontolo ny karamany hanampiana ireo sekoly fanabeazana fototra amin’ny hamatsiana ny “cantine scolaire” hanohanana ara-tsakafo ny mpianatra.
Hafakely kosa ny an’ny solombavambahoaka voafidy tao Mahajanga I, Nicolas Stephan Alphonse. Nilaza mantsy ity farany fa hatokany hatao “corbillard” na fitondrana faty hanampiana ny vahoaka ny anjara fiarany ao Tsimbazaza. Natao tao Mahajanga omaly ny lanonana nametahana ny samboady marika ny maha solombavambahoaka azy. Lisitra tsy miankina no nahavoafidy an’i Nicolas Stephan Alphonse. Fantatra anefa izao fa nanatevin-daharana ny vondrona parlemantera HVM izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.