DEPIOTE NARSON RAFIDIMANANA-OLAN’NY JIRO

« Tsy tokony hanana olana ny fanjakana fa tsy mihaino »


  • Talata 12 Novambra 2024

Tena mijaly amin’ny fahazoana herinaratra sy rano fisotro madio ny mponina eto

Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Efa tonga any amin’ny faritra hafa maro mihitsy izany izay nambaran’ny Depiote Narson Rafidimanana, lany tamin’ny anaran’ny Vovonana Firaisankina fa tranga tsy niainantsika tato anatin’ny 5 na 10 taona lasa mihitsy. Raha notohizana mantsy ilay tetikasa Volobe tany Toamasina tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina hoy izy dia tsy ho tahaka izao mety ho vokany. Inona no antony tsy nanaovana sonia azy iny hoy hatrany ity Solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’Antanifotsy ity. Mikasika ilay teti-bola natokana ho an’ny Fanabeazana izay fantatra fa hoavadiky ny Fitondram-panjakana hamatsiana sy hanarenana ny orinasa JIRAMA indray dia notsindriany manokana fa tena tsy azo ekena mihitsy. Efa tena marary ny sehatry ny Fanabeazana eto amintsika hoy izy izay tena mila fanarenana nefa mbola hatao ambanin-javatra ihany koa inona intsony no fampandrosoana azo handrandraina ?
Pati
Legende : Ny depiote Narson Rafidimanana lany tamin’ny anaran’ny Vovonana Firaisankina tany amin’ny distrikan’Antanifotsy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT