Actualités

Depiote Horace sy ny TIM Boriborintany faha-6 Manampy ny ben’ny tanànan’Iarivo Lalao Ravalomanana


  • Talata 07 Novambra 2017

Ho fanohanana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo-Renivohitra Ramatoa Lalao Ravalomanana amin’ny ady amin’ny pesta ary fanamafisana ny tanjona Fonenana Madio

 

 Milamina antoky ny Fampandrosoana dia hikarakara fifaninanana nampitondraina ny lohahevitra hoe : « Fonenana madio mba ho fampivoarana sy fampandrosoana ny tanàna » ny depiote Rasoanoromalala Horace avy amin’ny Antoko TIM eto amin’ny Boriborintany faha VI miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ity antoko ity eny amin’ny Boriborintany faha-6. Tsy ferana ny mpifaninana fa malalaka ho an’ireo tokantrano miisa 18.322 ao anatin’ny 31 fokontany izay vonona handray anjara. Hosantarina amin’ny fizarana fitaovana entina manadio tanàna izany amin’ny sabotsy 11 novambra 2017 izao ho an’ireo izay tapa-kevitra hifaninana, ka ambara fa mbola mitohy ny fisoratana anarana ao amin’ny Birao mpiara-miasa amin’ny depiote Horace. Ny olomboafidy avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara dia mitana mandrakariva ilay tenin’ny filoha Marc Ravalomanana  : “Ny mahasoa ny vahoaka aloha vao ny mahafinaritra azy no hatao”.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT