Mampivarahontsana ny maheno ny isa hoe 21 no namoy ny ainy. Mora loatra ilay famonoana olona, ary mpitandro filaminana aho no miteny an’izany, hoy ny
Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena avy amin’ny Faritanin’I Fianarantsoa Brunelle Razafitsiandraofa nandritra ny fandaharana tamina fahitalavitra iray omaly hariva. Misy ny fianankavian’ny maty niantso azy, fa halatra akoho no nanagadrana ilay olona tao. 4 taona tsy notsaraina fa tao ihany, ary isan’ireo namoy ny ainy, tany Farafangana. Tokony sokafana ny fanadihadiana lalina, mba hivoahan’ny marina, hoy ity olom-boavidy ity. Nisy ihany koa moa ny fanambarana nataon’ny mpiaro ny zon’olombelona nanameloka ity fandripahana olona faobe noho ny raharaha fiokoana sy fandosirana ny fonja ity.Efa nanamarika ihany koa omaly ny teo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny zon’olombelona (CNIDH) omaly hoe:fa nahoana moa no tonga diia notifirina ho faty ireo gadra nitsoaka ? Tsy azo natao angaha ny nitifitra azy reo teny amin’ny tongony ohatra mba tsy nahafahana nitsoaka intsony dia nosamborina avy eo.Tsara ho marihana araka ny fampitam-baovao fa basy 1 no azon’ireo dahalo tamin’ny fikomiana sy fitsoahana natao, ary efa tafaverina io basy io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.