Depiote Antoine Rajerison

«Ny FOFIFA izay manana karazam-bary be dia be no tokony vatsiana vola!»


  • Talata 25 Febroary 2025

Tsy hitan’ny fanjakàna malagasy ankehitriny ny lalan-kombàna hitondràna ny fampandrosoana

ny tontolo ambanivohitra, hoy ny depiote sady manam-pahaizana momba ny fambolena, Antoine Rajerison. Tsy hitany, hoy izy, ny lalan-kombàna hametrahana ilay tena hoe fahaleovantena ara-tsakafo. Nihevitra izy tany am-piandohana hanitatra ny velaran-tany ho volena vary ka hanenjika 100.000 Hektara ho volena. Ankehitriny izy dia lasa niheritreritra indray fa tsy hanitatra ny velaran-tany ho volena vary fa ilay 1Hektara no ho totofana zezi-bazaha mba hahazoana taham-pamokarana ambonimbony kokoa. Tsy mety io satria lasa manimba tany. Tsy mety koa satria ny fitondràna masomboly tsy azo akàna taranaka eto Madagasikara dia hanimba ireo karazam-bary efa misy eto Madagasikara. Ny varintsika malagasy dia ifampitadiavana eo amin’ny tsena iraisampirenena ary tian’ny olona satria matsiro no tsara. Isika izany hampiditra vary ratsy tsiro no tsy mitombo eto indray nefa sady hanimba ireo karazam-bary efa misy eto amintsika. Tsy ho zakan’ny tantsaha mihitsy ny fandaniana ho entin’ny fambolena izany vary safiotra izany satria mila zezi-bazaha be io. Ny 1 kilao amin’io masomboly io dia 25.000 Ariary. Raha manodidina ny 3000 Ariary kosa ny kilaon’ny masombolin’ireo vary eto amintsika. Mihinana any amin’ny 300 hatrany amin’ny 800 taoninana zezika ny fambolena an’io vary io, raha ny tarehimarika aparitaky ry zareo. Tena tsy mety sy tsy ahazoana vokatra io satria ny filàny zezi-bazaha betsaka dia midika koa fa mila rano betsaka izy. Raha vao tsy misy rano dia tsy voavadika ho sakafon’ilay vary ilay zezika. Raha miantona ny rano dia may sy maty daholo ilay vary rehetra. Mbola tsy mahafehy fampidiran-drano eny an-tanimbary na «système d’irrigation» isika eto Madagasikara. Rehefa tsy latsaka ny orana dia tsy afaka mamboly vary ny olona. Tokony ho afaka hamboly vary foana nefa ny olona raha ohatra ka voafehin’ny fitondràna ny fanondrahana tanimbary. Ny voka-dratsin’ny fanomezan-danja an’io vary vahiny io dia hihena izany ny voka-bary rehefa kelikely eo fa tsy hiakatra. Tsy ho voafehy mihitsy tsinona io. Mety hanimba sy hamotika ireo karazam-bary malagasy ny fisian’io karazam-bary io. Tsy hihety sy tsy zaka eto amintsika mihitsy io fa ho lasa fandaniam-bola fotsiny, fahaverezam-bola, fanodinam-bola ao anatina aferafera fotsiny satria fantantsika daholo hoe iza no manao ny fanafarana vary amin’io masomboly io? Iza no manao ny fanafarana zezika amin’io karazana vary io? Ny FOFIFA izay manana karazam-bary be dia be no tokony vatsiana vola! Misy 3600 isa ny karazam-bary any ary efa ambolen’ny olona. Misy tena mety eto amintsika sy tena tadiavin’ny tantsaha satria ahitàna 5 ka hatramin’ny 6 taonina isaky ny Hektara any. Ireny no tokony aparitaka satria sady mahazaka ny toe-tany eto amintsika. Mila ihazakazahana koa ny fampitomboana ny velaran-tany ho volena vary sy ny fanaovana tohadrano maro samihafa mba ho voafehy ny fampidiran-drano eny amin’ny tontolo ambanivohitra, indrindra, ny fananganana DAM amin’ny toerana maro samihafa. Tokony hanana tetibola manokana ny fanjakàna hananganana ireny digy sy ny sisa tapaka sy vaky ireny, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT