Depiote Antoine Rajerison

"Foano ilay tetibola 575 miliara ariary ho an'ny vary safiotra"


  • Talata 11 Novambra 2025

Naneho ny heviny mikasika ilay volabe

mitentina 575 miliara Ar hatokan'ny Fitondram-panjakana ho an'ny fambolena vary safiotra na riz hybride ny Solombavambahoaka Rajerison Antoine voafidy tany amin'ny distrikan'Arivonimamo omaly. Foano io hoy izy fa tsy mety amin'ny ankamaroan'ny tantsaha. Mila fampiasana zezi-bazaha betsaka sy fifehezanabe ny rano mantsy ny fampiasana azy io raha ny nambarany. Tokony havadika hanatsarana ny masomboly vokarin'ny FOFIFA izany hoy izy miampy ny fanatsarana ny fampidiran-drano. Raha tena tiana handroso mantsy ny sehatry ny fambolena eto amintsika hoy izy dia zavatra miisa telo no tokony hofehezina toy ny fivarotana zezika mora zakan'ny fahefa-mividin'ny rehetra, ny fisian'ny rano amby ampy ary ny fampiasana masomboly tsara kalitao. Mangataka amin'ny Fitondram-panjakana ny hanafoanana ireo karazana fanomezan-dalana feno kolikoly amin'ny fanondranana ireo voly fanondranana sy harena an-dranomasina maro ihany koa ity depiote ity. Nambarany fa mahatratra 4.250 T isan-taona ny vokatra drakaka eto amintsika. Tafakatra 4 dolara isaky ny kg ny vola niditra tany amin'ny tranobe an'ilay mpandraharaha malaza iray nanao izany asa izany izay mahatratra 85 miliara Ar isan-taona hoy hatrany izy.
Pati
Légende : Rajerison Antoine depiote voafidy tao Arivonimamo 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

Hijery ny tohiny
FTT