Delestazy tsy nisy tao anatin’ny 60 taona

Nitroatra ny vahoakan’i Sonierana Ivongo !


  • Alatsinainy 30 Desambra 2024

Mandrak’androany, mbola mijanona ho isan’ny olana goavana manerana ny Nosy

ny fahatapahan-jiro na ny delestazy lavareny isan’ny nanamarika ny taona 2024. Tsy eto Antananarivo ihany io mazava ho azy, saingy tsy tena manana vahaolana maharitra ny Fitondram-panjakana. Ny faran’ny herinandro teo, ny vahoaka tao an-drenivohitr’i ny Distrikan’i Sonierana Ivongo indray no niara-nirona nanao filaharam-be fa leo delestazy. « Tsy àry nahita fahatapahan-jiro tahak'izao izahay hatrizay nisin’ny jirama teto Soanierana Ivongo renivohitra », hoy ny vahoaka. Nangotraka ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana sy hazo lehibe teny an-dalambe nanehoan’ny vahoaka ny fahatezerany. Milina iray moa no ampiasaina no ampiasaina ao an-toerana ankehitriny, ka tsy maharaka ny filan’ny vahoaka. Voalaza lantsy fa simba ireo milina roa fanampiny. Ny orinasa Henri Fraisemoa no mpiantoka ny milina izay hiasan'ny jirama ao Soanierana Ivongo. Nafampana ny hetsika ka tonga hatrany amin’ny fiantsoana hoe : aiza ny Solombavambahoaka izay voafidy teto Sonierana Ivongo ? Tsy hita ireo olona tokony hiaro ny vahoaka aminy filan’izy ireo raha efa am-bolana, maro ny mpiasa’ny jirama miresaka fa efa reraka ireo milina, hoy hatrany ny tatitra notaterin’ny fampahalalam-baovao iray ny sabotsy teo.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT