Delestazy tsy mety voavehy

Miitatra ny famotehana entiny!


  • Talata 26 Aogositra 2025

Fara-faha keliny, 16 taona no niandrasana ny fitondràna Rajoelina sy ny forongony

hamahana ity delestazy tsy mety voafehy eto amin’ny firenena ity. Tao ireo nampanantena ny hamaha izany anatin’ny 6 volana. Ny an’ny filoham-pirenena ankehitriny moa nandritr’izay fotoana naha lany filoham-pirenena azy izay, fa tsy filohana tetezamita intsony na filohana antoko politika nanolotra kandidà lany filoham-pirenena, dia nivadibadika teny hatrany ny voalaza, hany ka tsy hita intsony hoe ilay «voavaha afaka 3 volana» ve no tokony ho raisina sa ilay «7 volana» sa ilay mbola amin’ny 2028? Mandra-piandry izany rehetra izany dia hita ho miitatra hatrany ny famotehana entin’ity fahatapahan’ny herinaratra lavareny na delestazy ity. Tsy misy izay tsy mitaraina, mimenomenona, sorena manoloana izany toe-draharaha, izay tsy vitan’ny hoe manimba fihariana fotsiny fa, sady tsy voafehy no mbola manampy ny fahasimban’ireo fitaovana ihany koa. Na ireo fitaovana efa namboarina sy ny soloina aza simba indray. Fitarainan’ireo mpivarotra enta-madinika izany, fitarainan’ireo mpanefy vy, fitarainan’ireo mpanao volo, hatramin’ireo orinasa goavana izay efa manana fahafahana hampiasa solona herinaratra na «groupe électrogène» aza. Ny lera anaty fampandrenesana fanapahana, izay efa tsy rariny amin’ny maha mpanjifa tsy maintsy mandoa faktiora, amin’io mbola tsy voahaja ihany koa. Ny finiavana hamaha ny olana ve izany no tsy misy sa ny fahaizana ahafahana mamaha tanteraka izany mihitsy?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT