Actualités

Delestazy-tsy fandriampahalemana Mampody ny mpianany mialoha ny ankamaroan’ny sekoly


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Vao amin’ny 05 ora hariva amin’izao dia efa maizimaizina ny andro no sady mangatsiaka mamirifiry. Tato anatin’ny tapa-bolana mahery izao no niainan’ny rehetra izany noho ny fahatongavan’ny vanim-potoanan’ny ririnina.

Manampy trotraka izany ny delestazy lavarenin’ny JIRAMA. Amin’ny ankapobeny dia amin’ny 5 ora, ora fodiana any an-tokantrano mihitsy no tapaka ny jiro. Tsy afaka manohy ny fianarany ara-dalana intsony ny mpianatra noho izany ho an’ireo mirava amin’ny 06 ora raha mahandro sakafo maizina ihany koa ireo efa tonga any an-tokantrano. Voatery nanamboatra ny fandaharam-potoanany araka izany ny ankamaroan’ireo sekoly nanaovanay fanadihadiana teny amin’iny distrikan’Atsimondrano iny. Naroso amin’ny 05 ora sy sasany farafahatarany ny firavan’ny mpianatra amin’ny hariva. Tsy maintsy tsenaina ihany koa ireo mbola ao amin’ny kilasy fahaenina ohatra noho ny firongatr’ireo mpanendaka. Tsy vitsy amin’ireo mpianatra mirava hariva mantsy no voaendaka tato ho ato ka nandraisan’ny ankamaroan’ny sekoly fepetra ihany koa. Amin’ny ankapobeny moa dia amin’ity herinandro vaovao ity no miatrika ny fanadinana fifindran-kilasy ny mpianatra rehetra ankoatra ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana. Hiditra ao anatin’ny fialan-tsasatra lehibe araka izany ny rehetra mialohan’ny fetim-pirenena 26 Jona ho avy izao.
Pati
Legende : Ravaina mialoha avokoa ny mpianatra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT