Sady manimba no tsy afaka hanamboarana ny simba koa, etsy ankilan’izay,
amin’izao fotoana izao, ity delestazy tsy ahitam-bahaolana ity. Ireo entana miankina amin’ny herinaratra moa, raha ny fanazavana voaray sy fanadihadiana natao, no tena lasibatr’izany. Isany ny fahitalavitra, indrindra, ireo fahitalavitra tsy fisaka. Isany koa ireo vata fampangatsiahana isan-karazany, ny famenoan-drivotra na «ventilateur», ny solosaina sy rehefa mety ho entana ilàna herinaratra. Ianao mila ilay herinaratra hanandramana ny entana narenina kanefa ny herinaratra avy eo tsy misy fa delestazy indray, hoy ny fitarainan’ny raim-pianakaviana iray. Sambasamba no nisy an’izany hoe mandeha Cyber na ireny toerana fikirakirana solosaina sy aterineto ireny ianao dia tsy izany no antony hankanesanao ao fa hindrana herinaratra, hoy koa ny fanehoan-kevitra hafa. Tsy vao izao no ritra toy izao io Andekaleka io fa efa an-taona mifanesy ary mampirongatra hatrany ny tsy fahampian-drano sy herinaratra toy izao foana dia mbola tsy nahitam-bahaolana foana ve hatramin’izao? Inona ihany izany no fivoaran’ny fikaroham-bahaolana momba ity olan’ny JIRAMA ity teto Madagasikara? Hoavy hifandimby indray koa ny fahavaratra na ririnina na lohataona dia mbola hisy toy ny hatramin’izay koa ve izany ny olana hifandimby eo toy ny efa hita ankehitriny?
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.