Saika nahitana trangana delestazy avokoa tamina faritra maro teto an-drenivohitra sy ny manodidina afak'omaly alahady.
Nanomboka maraina mandrapaharivan’ny andro mihitsy izany ho an’ny faritra sasany raha naharitra ora 3 hatramin’ny 4 kosa ny an’ny sasany. Nitondra fanazavana mifandraika amin’izany ny orinasa JIRAMA omaly ka fantatra fa noho ny asa fanarenana ilay andrin’ny zotra mitondra herinaratra 63KV mampitohy ny « sous station » Anosizato sy ny « Poste d’Interconnexion » Ambohimanambola no antony nahatonga izany. Nisy tsy fahatomombanana mantsy io andrin’ny zotra mitondra herinaratra io ka tsy maintsy nandraisana fepetra hirosohana ny loza mety hitranga. Ireo toerana vatsian’ireo « sous station » sy « poste d’interconnexion » araka izany no tena lasibatra toy ny teny Itaosy… Na izany aza anefa efa tapitra niverina tamin’ny laoniny avokoa ny famatsiana herinaratra hatramin’ny omaly maraina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.