Delestazy, rano tapaka,…

Fihariana maro no potika


  • Alarobia 26 Febroary 2025

Fihariana maro no potika, raha ny fitarainana voaray samihafa, manoloana ity olan’ny herinaratra sy rano amin’izao

fotoana izao ity, raha tsy hilaza afa-tsy ny zava-misy eto Antananarivo renivohitra. Ny delestazy moa na ilay fahatapahan’ny herinaratra lavareny efa zary an-davan’androm-piainan’ny malagasy. Rehefa tsy mampiasa aro herinaratra na «stabilisateur» fara-faha keliny ny orinasa madinika mila mampiasa herinaratra dia fotoana fotsiny no andrasana mandra-paha potika tanteraka ireo fitaovana. Raha ambany nefa ny tanjaky ny herinaratra hita ao anatin’izany dia aleo ihany koa tsy mampiasa ireo fitaovana na dia efa tafaverina aza ny jiro, hoy ny fanazavàn’ny raim-pianakaviana iray, satria mety handoro ireo fitaovana mihitsy izany raha tsy voatandrina. Izay ilay hoe herinaratra tsy mahatosika. Maro amin’ireo mpiasa nefa no tsy afaka miandry izany fa voatery mampiasa mivantana ny herinaratra efa misy na dia mbola ambany aza ny tanjany na «pression», hoy ihany ny fanazavàna. Mpanefy vy na «soudeur», mpanety na «coiffeur», fikoloana endrika amam-bika na «salon de beauté et d’esthétique», cybercafé, hotely fisakafoana samihafa, maro no karazana fihariana madinika voahelingelina sy potika mihitsy noho ity olan’ny herinaratra sy rano ity, raha ny fanazavàna sy fitarainana voahangona hatrany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT