Actualités

Delestazy nihamafy indray Olana teknika marina sa lany vola indray ?


  • Alakamisy 15 Jona 2023

Raha efa somary nihanalefaka ny delestazy tamin’ity herinandro ity, dia nanomboka somary nihamafy indray izany ho an’ny omaly 14 jona. “

Misy fikorontanana ny famokarana herinaratra ao Andekaleka ka mahatonga fahabangan'ny vokatra herinaratra vatsiana eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo. Voatery miroso amin'ny fahatapahan-jiro mifandimby eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo arak'izany ny Jirama amin'izao fotoana izao”, hoy ny seraseran’ny Jirama. Manodidina ny adin’ny roa teo ny fahatapahana ho an’ny omaly. Nomarihina fa ny fahatapahan-jiro dia misy fiantraikany ihany koa amin'ny famatsian-drano noho ireo tobim-pamokaran-drano sy foibe mpampiaka-tosika ny “sur presseur” miankina amin'ny herinaratra. Herinandro lasa, ny resaka famatsiana solika mavesatra no nolazaina fa olana. Nambara fa 10 kamio isan’andro no ilaina, saingy 4 no tonga, ka nakarina ny kamio mpamatsy. Mbola nisy fahatapahana taorian’izay, ka nolazaina fa 6 na 7 ihany no tonga. Io indray fa voalaza ho misy fikorontanana ny ao Andekaleka. Fahatapahana nandalo sy resaka olana ara-teknika ihany ve izany no niseho fa hiverina amin’ny laonina ihany? Matetika mantsy afantoka amin’ny hoe : fitaovana sy olana ara-teknika foana na ny resa-bola aza no tena olana goavana. Manao ahoana ny resaka famatsiana solika mavesatra? Ampy ve ny hoenti-manana ara-bola eo anatrehan’izany? Rehefa zohiana mantsy hatramin’izay, dia resa-bola no tena anton’ny delestazy lavareny satria nanomboka nanangam-bovona ireo orinasa mpamatsy ny Jirama, raha tsy hilaza afatsy ny Tozzi Green izay voatery noraisina tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra mihitsy ny handoavana ny volany, 250 miliara Ar no voalaza fa trosa tsy voaloa, raha ny fitakian-trosa nataony. Raha nolazaina herinandro lasa fa tsy ampy ny tosiky ny rano noho ny vanim-potoana ririnina, dia toa azo natao ihany no nandefa ny herinaratra tsy dia tapatapaka, izay toa manamafy fa ny vola no heriny. Vao misy olana ara-bola dia efa mananontanona ny delestazy satria manodidina ny 70% amin’ny famokarana angovo eto mbola avy amin’ny solika, ary miankin-doha tanteraka amin’ny tsy miankina ihany koa ny Jirama fa tsy mahaleo tena amin’ny famokarana. Ny fitodihana amin’ny angovo azo havaozina sy mahaleo tena hatrany aloha no vahaolana na mety ho lavitr’ezaka aza.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT