Nampiteny ny moana indray ny fahatapahan-jiro matetika na ny delestazy omaly.
Nisy naharitra ora valobe izao izany ho an’ny faritra sasany raha ora dimy no kely indrindra. Ho an’ny teny amin’ny faritra Itaosy teny dia nanomboka tamin’ny 03 ora folakandro dia efa tapaka ny jiro ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 08 ora alina. Asa mivelona amin’ny herinaratra maro no voatery najanona noho izany. Anisan’ireny ny fanamboaram-bolo, ny fanamboarana kodiarana, ny cyber café izay tena hampiasain’ny olona maro ihany koa indrindra fa ireo misehatra amin’ny tontolon’ ny serasera. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina tompona cybercafé iray dia maty antoka hatrany amin’ny 50.000 Ar izy ireo raha kely omaly folakandro hatramin’ny 08 ora alina tany ho any. Nomarihin’izy ireo moa fa efa fika mahazatra hataon’ny JIRAMA ny manapaka jiro tahaka izao raha vantany vao milatsaka ny ranon’orana. Eo an-danin’izay anefa dia tena manjaka tanteraka ny tsy fandriampahalemana any anaty tanana izay hahaverezan-javatra hatrany. Antso avo araka izany no hatao amin’ny orinasa JIRAMA mba hahay hifampitsinjo fa tsy sanatria ho faly hanaka ny jiron’ny mpanjifa lava izao.
Pati
Legende : Nandehabe ny varotra labozia omaly !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.