Tsy toy ny hita mahazatra tamin’ireo fihaonana iraisampirenena nisy teto
amin’ny firenena tato ho ato, na ara-panatanjahantena io na ara-toekarena sy hafa ny zava-nisy tamin’ity fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny SADC na Vondrona ara-toekaren’ireo firenena aty atsimon’i Afrika andiany faha 45 atao eto Madagasikara ity. Tsy nahafahana nifehy ny delestazy miverina mamaivay indray hatreto ity fihaonana iraisampirenena ity, raha ny hita tamin’ity herinandro ity aloha. Eto Antananarivo renivohitra, izay ivon’izany fihaonana izany, mihitsy io maha velon-taraina ny mponina amin’ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny io nefa. Miverina misodisody eny anivon’ny tambazotran-tserasera samihafa na haino aman-jery isan-karazany eny indray ny fitarainana toy ny hoe «Efa tsy rariny intsony ry JIRAMA!» na «Efa adin’ny 2 izay!» na «Efa adin’ny 4 izay!» sy ny toy izany rehetra. Ilay tale jeneralin’ny Jiro sy rano malagasy na JIRAMA moa ao anatin’izany rehetra izany tsy fantatra mazava izay tena ataony ao satria tsy misy fanazavàna ny fivoaran’ny asany na satria fitomboan’ny olana amin’izany asany izany entiny anivon’ireo vahoaka mpanjifa herinaratra sy rano eto amin’ity Madagasikara ity. Ny olana mikasika izay rano izay koa, etsy andanin’izay, efa tsy hita intsony koa izay azo ilazàna azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.