Delestazy

Mitohy ny fidinanana an-dalambe


  • Talata 29 Oktobra 2024

Mitohy ny fahatezeram-bahoaka noho ny delestazy, saingy toa arakaraka ny fitomboan’ny hetsika etsy sy eroa eto

Antananarivo sy ny manodidina no toa vao mainka mampitombo ny oran’ny fahatapahana. Ny vahoaka teny Itaosy, ny teny Ankadindramamamy, ny teny amin’iny manodidina ny Rocade Est iny indray no nihetsika omaly takariva. Tsy misy mihaino sy tsy misy mpiraharaha ny fitarainana samihafa, toy ny eny amin’ny tambajotran-tserasera, ka tonga eny an-dalambe amin’ny alalan’ny doro kodiarana ny fanairana. Mitovitovy avokoa ny fanehoan-kevitra toy ny hoe : zara raha mandeha adin’ny roa na adin’ny telo isan’andro sisa ny herinaratra, potika ny fihariana sy ny fivelomana, ny faktiora tsy mihena fa mitombo,… Matetika emmo-reg no halefa hifanandrina sy handrava ny fitakiana eny an-dalambe, ka tsy mpitandro ny filaminana no tadiavinay fa herinaratra, tsy manana olana amin’ny mpitandro filaminana izahay fa manana olana amin’ny Jirama sy ny mpitondra, hoy ny vahoaka. Fa mo ave misy fitondrana mihaino sy miraharaha izany ? Moa ve misy vahaolana na vonjimaika aza fa toa fitanisana olana sy fampanantenana hatrany no betsaka ? Dia mbola averina sy tsiahivina hatrany ny tenin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina teny Mahamasina ny aogositra 2018 hoe : mbola misy Fanjakana ve eto ? Efa voavaha ve ny delestazy ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT