Actualités

Delestazy Mitohy mandavan-taona


  • Alakamisy 02 Febroary 2023

Mampiteny ny moana hatrany indray ny delestazy tato ho ato. Tena mahery vaika, ary tena maharitra.

Na andro maina, na avy orana, tsy maintsy misy foana ny fahatapahana. Teny amin’ny faritra Ankadindramamy, Mahazo, Ambatomaro,… ohatra omaly 01 febroary, dia nisy naharitra ora 2 ka hatramin’ny ora 4 na mihoatra satria nisy tapaka tamin’ny 6ora40 hariva tany ho any ary tamin’ny 10ora alina latsaka minitra vitsy vao niverina. Hafa ny hoe: nisy fahamaizana goavana tahaka ny niseho tetsy Anosisoa Ambohimanarina vao andro vitsy izay tsy ifanomezan-tsiny, fa misy kosa dia tena mahatezitra ny mpanjifa matetika. Tsy finiavana hitsikera sanatria raha mampahatsiahy ilay toriteny teny amin’ny Coliseum nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo fa nanohina azy, ka mba azony an-tsaina ve hoe: tahaka ny ahoana ny alahelo sy hatezeran’ny olona amin’ny delestazy lava kanefa ny faktiora mitomboka hatrany ary mitombo aza?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT