DELESTAZY MISOKO MANGINA

Manapaka asa fivelomany, mampijaly ny mpianatra


  • Alatsinainy 05 Mey 2025

Manomboka misolo mangina indray ny delestazy eto an-drenivohitra sy ny manodidina

Mody tapatapaka mian-dalana izany ary manao tohivakana amin’izay. Anisan’ny miaina izany ny mponin’Itaosy sy Fenoarivo samy ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Toraka izany koa ny mponin’Ankorahotra, Andavamamba sy 67 ha iny. Naharitra ora 4 isan’andro ny fahatapahan-jiro niainan’ny mponina nanomboka afak’omaly Sabotsy 03 May raha naharitra ora 02 teo ho eo izany tamin’ny Zoma 02 May. Ankoatra ny fahatapahan’ireo karazana asa fitadiavam-bola maro samihafa izay tsy zoviana amintsika intsony moa dia anisan’ny lasa adin-tsain’ny Ray aman-dReny indray ny olana sedrain’ny mpianatra amin’ny famerenan-desona amin’ny alina indrindra fa ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana. Efa hotanterahina amin’io volana Jona ho avy io mantsy ny fanadinam-panjakana CEPE ary ao anatin’ny famerenana faramparany tanteraka ny mpiadina amin’izao volana May izao. Ho an’ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC indray dia efa hanomboka anio Alatsinainy 05 May ny adina ara-panatanjahantena raha amin’ny volana Jona ihany koa ny adina an-tsoratra. Antso avo araka izany no hatao amin’ny Fitondram-panjakana sy ny orinasa JIRAMA. Raha vantany vao tara mantsy ny fandoavan-jiro avy hatrany dia tapaka izany nefa ny delestazy manao ny hataony tsy an-kiato tsy mba misy fitsinjovana ny mpanjifa kely akory.
Pati
Legende : Voatery mampiasa jiro kely tahaka izao ny mpianatra hanala fanadinana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT