Mihamahazo vahana indray ny delestazy eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Toerana maro eto Antananarivo no tsy misy jiro ankehitriny. Tsy fahatomombanan’ny famatsiana herinaratra no anton’izany, raha ny nambaran’ny Jirama izay manamafy fa efa an-dalam-pamahana ny olana. Raha efa niverina ny famatsiana ho an'ny faritra sasany dia mbola mitohy kosa ny fahatapahana any amin'ny hafa. Miantso ireo mpanjifa haharitra 30 minitra ny Jirama mialoha ny hiantsoana ny ivotoerana misahana azy ireo. », hoy ny seraseran’ny Jirama omaly takariva. Ho an'ny teny Itaosy, distrikan'Atsimondrano teny dia nahatratra ora 6 be izao ny fahatapahan-jiro omaly Talata 12 Aogositra. Nanomboka tamin'ny 02 ora folakandro no tapaka ny jiro. Betsaka ireo olona manao asa mivelona amin'ny herinaratra no nitsahatra tsy fidiny vokatr'izany. Anisan'ireny ny mpanao volo, mpivarotra trondron-dranomasina, manamboatra kodiarana....Fa ny tena nahasorena ny olona dia betsaka ireo tsy mba afaka nanaraka vaovao tamin'ny vata fahitalavitra. Tsy vitsy koa ireo tsy afaka nahandro sakafo hariva fa nanantena herinaratra. Tsy afaka namahana finday sy solosaina ...Haizina avy hatrany no nitsena raha vantany vao niditra ny trano nefa ny asa fivelomana sy ny fitohanana teny an-dalana efa tena nandreraka. Ny tahotra ny ho voaendaka...tsy lazaina intsony. Tsiahivina moa ho an'iny faritr'Itaosy Atsimondrano iny dia tara hatrany ny faktioran-jiron'ny Jirama isam-bolana. Misy tsy mahazo izany mihitsy aza ireo tokantrano sasany. Rehefa tsy voaloha ara-potoana anefa ny jiro dia tadiavin'ny Jirama tapahana izany. Mahatsiaro leo ny amin'ny delestazy lavareny hiainany sy fomba fiasan'ny Jirama araka izany ireo mponina eny Atsimondrano.
Pati
Légende : Nojerem-potsiny toy ny tany nalavoana tahaka izao ny tele omaly tamin'ny ora fandehanan'ny vaovao !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.