Delestazy mahery vaika

Miverina tanteraka, saronana amin’ny vato fototra !


  • Talata 17 Desambra 2024

Miverina tanteraka amin’ny heriny amin’izao fotoana izao ny fahatapahan-jiro miverimberina sy ny fahatapahana

 lavareny eto Antananarivo sy ny manodidinana. Tsy voahaja intsony ilay tsy fahatapahana anatin’ny ora fiasana amin’ny 6ora maraina hatramin’ny 10ora alina, fa tena miha mahery vaika hatrany. Omaly izao dia tapaka adin’ny telo na adin’ny efatra ny jiro tamin’ny tanàna maro, ary tsy vitan’ny indray mandeha, fa tena niverina in-telo hatreo amin’ny tamin’ny 10 ora alina fotsiny, dia niverina indray ny fahatapahana lavareny taorian’izay. Vita tokoa ny fifidianana, dia miverina amin’ny mahazatra ny olana. Tsy tena misy vahaolana maharitra sy milamina, fa mbola ny fizahozahoana eo anatrehan’ny efa tsy fahombiazana ara-pitantanana sy fahatram-bahoaka ary fahapotehan’ny Firenena aza no misy. Dia iny nandeha iny ny fitanisana omaly fa izy no isan’ny nahavita be tao Andekaleka tamin’ny alalan’ny fametrahana milina 2 saingy nanao ahoana ny Jirama talohan’ny nahatongavany teo sy ny amin’izao ? Milaza hanangana toby mpihary herinaratra 64MW any Andekaleka hiantoka ny 30% amin’ny famatsiana an’Antananarivo,… ka hametraka vato fototra amin’ny herinandro. Tsy vao izao no nampanantena volana aman-kitana fa efa betsaka izay nambara sy nolazaina izao, saingy zava-misy iainan’ny vahoaka aloha dia mbola delestazy lavareny mandavan-taona. 5 volana izay no nanendrena ilay Tale Jeneraly teratany Israelinina Ron Weiss fa moa tena milamina ve ny Jirama ? Ekena fa tsy mora ny manarina saingy ny zavatra hita sy tsapa dia zary lasa vonjy tavanandro sy ny kajikajy politika sisa no tena handaminana azy. Rehefa zohiana amin’ny zava-misy, zary lasa ny kabary entina hampalazana tena sy hitadiavana doka amin’ny vahoaka sisa no betsaka fa ny vokatra tsy tena misy, ny vahoalana tsy dia azo tsapain-tànana,… Raha ny antsasaky ny 400MW nampanantenaina tao anatin’ny 5 fotsiny ohatra no tanteraka mety efa tsy tahaka izao isika. Manampy trotraka ny afera maloto samihafa izay natsikafon’ny Fitsarana momba ny kaonty toy ny resa-tsolika hatrany amin’ny 2500 miliara Ar saingy mody mangina ny mpitondra. Mbola mahakely finoana ny hisiana vahaolana ato ho ato fa ny fanatsarana ny fahafahan’ny rehetra mitsitraka herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina no mila ilofosana fa raha hanantena ny Jirama tena mbola sarotra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT