DELESTAZY LAVARENY

Tsy nisy jiro teny Fenoarivo omaly tontolo


  • Alatsinainy 24 Martsa 2025

Miverina mian-dalana indray ny delestazy eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Ho an’ny kaominina Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano manokana dia nanomboka afak’omaly Sabotsy 22 Martsa alina izany hatramin’ny omaly Alahady 24 Martsa tontolo andro. Tsy niverina mihitsy ny jiro na dia efa nisy tamin’ireo mponina aza no niantso ny orinasa JIRAMA. Raha tsiahivina kely anefa dia vokatry ny tsy fahampian’ny rano manosika ireo ivon-toerana mpamokatra eto amintsika no nambaran’ny JIRAMA fa anton’ny delestazy teo aloha. Rehefa tonga indray anefa ny ranon’orana tsy hita akory izay vokany fa mbola manao ny hataony foana ny delestazy. Ny faktioran-jiro anefa eo an-daniny tsy mihena fa vao mainka midangana aza. Tsy nisy nisokatra vokatr’izany ny toeram-pivarotana trondron-dranomasina, mpanao volo, ny cybercafé , ny mpanao kodiarana….teny Fenoarivo teny omaly. Marobe ihany koa ireo tsy afaka nampiasa finday toy ny mahazatra intsony fa tsy nisy vato aratra intsony. Marihina moa fa tratran’ity delestazy ity ihany koa ny teny Itaosy Atsimondrano omaly Alahady, fotoana izay natokan’ny fianakaviana mba hihaona sy hikarakarana sakafo miavaka kely saingy indrisy. Tsy lazaina intsony ireo nikarakara lanonana izay diso fanantenana tanteraka.
Pati
Legende : Nampiasa labozia ny teny Fenoarivo tamin’ny Sabotsy alina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT