Actualités

Delestazy lavareny Nitroatra ny mponin’Ambohidahy Itaosy


  • Alatsinainy 14 Aogositra 2017

Taorian’ireo mponina eny Anosimasina Itaosy dia tezitra mafy tamin’ny orinasa JIRAMA ihany koa ireo mponina tao amin’ny Fokontany Ambohidahy Itaosy,

 

 samy ao anatin’ny kaominina Bemasoandro ny sabotsy alina teo. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia efa ny tontolo andron’ny zoma no tsy nirehitra ny jiron’izy ireo ary nampandre ny tompon’andraikitra teo anivon’ny orinasa JIRAMA saingy tsy nisy mihitsy ny fandraisana fepetra nataon’ity orinasam-panjakana iray ity. Betsaka ireo tsy afaka nampidi-bola tao an-tokantranony noho izany, indrindra fa ireo mivelona amin’ny asa mila herinaratra. Eo an-danin’izay anefa raha araka ny fitarainan’ireo mponina hatrany dia tsy mitsaha-midangana ny vidin-jiro ka raha vantany vao tara ny fotoana handoavana izany dia tonga ireo mpiasan’ny JIRAMA manapaka. Nitroatra vokatr’izany ny mponina ka nivoaka ny arabe ary nanapaka ny lalana teny an-toerana mihitsy nandritra ny ora telo teo ho eo. Narahina tora-bato sy fandoroana kodiarana izany raha  môtô scooter iray ihany koa no fantatra fa may kila forehitra.  Na izany aza anefa dia vetivety ihany dia tonga teny an-toerana ireo mpitandro ny filaminana ka ireto farany no nandrava ny hetsika. Nanambara moa ireo mponina fa mbola hitohy hatrany ny hetsika raha toa ka mbola minia manampin-tsofina hatrany ny JIRAMA. Ankoatra ny jiro dia toerana maro eto an-drenivohitra ihany koa no misedra olana amin’ny tsy fahazoana rano fisotro madio hatramin’ny herinandro teo vokatry ny olana ara-teknika mahazo ny fitaovana eny Mandroseza.


Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT