Efa ela no nitabataba sy nimenomenona ny vahoaka malagasy momba ny fahatapahan’ny herinaratra matetika izay mbola mitohy amin’izao fotoana izao. Nampanantena anefa ny filoham-pirenena am-perinasa fa hovahana ao anatin’ny enim-bolana io olana goavana iombonan’ireo faritra maro eto amin’ny nosy io
Efa-bolana izay no lasa saingy toa tsy hita taratra mihitsy hatreto ny paikadim-panjakana hanafoanana ity delestazy ity. Miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina kosa ankehitriny ny fihetsiketsehan’ny filohan’ny Repoblika tampoka nitokana toeram-pamokarana herinaratra avy hatrany taorian’ilay fihaonana an-tampony teo amin’i Etazonia sy Afrika ka nahazoan’ity farany vola fanampiana mitentina 33 miliara dolara amerikanina hamatsiana ny famokarana herinaratra ho an’ny kaontinanta Afrikanina ary hahazo tombony amin’io ihany koa i Madagasikara. Tonga ao an-tsaina avy hatrany moa ny Jirama vao miresaka io olan’ny herinaratra io izay efa nanambaran’ny minisitry ny Angovo ny heviny ny amin’ny tsy maintsy hanovana ny sata mifehy ity orinasam-panjakana ity. Tsy nisalasala ny mpanara-baovao maro nilaza fa tena niantehitra fotsiny tamin’ity famatsiam-bola Amerikanina momba ny fampidirana herinaratra aty Afrika ity ny mpitondra fanjakana Malagasy. Mbola fanontaniana mila valiny amin’ny fanjakana kosa ny hoe hahasehaka ny firenena iray manontolo tokoa ve ny ampaham-bola anjaran’i Madagasikara amin’ny famatsiana herinaratra izay vao ny 25%-n’ny tokantrano Malagasy monja no misitraka izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.