Delestazy eto Antananarivo

Mitady hiverina amin’ny heriny sahady


  • Alakamisy 28 Novambra 2024

Mitady hiverina amin’ny heriny sahady, raha ny hita omaly, ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny

na delestazy eto Antananarivo renivohitra. Naharaisana fitarainana momba izany avokoa nanodidina ny tamin’ny 2 ora tolakandro hatramin’ny 4 ora tolakandron’ny omaly iny ireo boriboritany samihafa toy ny teny amin’ny faha 3 sy faha 5. Ny ankamaroan’ireo mponina nanaovana fanadihadiana moa dia efa saika tsy nanampo ny mbola hisian’izany fahatapahan’ny herinaratra izany ao anatin’izao propagandy izao. Maro amin’ireo mpanara-baovao no mihevitra fa mety mba ho maivamaivana izany, fara faha ratsiny, mandra-pahatongan’ny 12 desambra any ho any, izany hoe aorian’ny fahavitan’ny fifidianana ben’ny tanàna kanjo iny efa niaraha-nahita omaly iny sahady moa.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT