Nampitombo ny fahasahiranan’ny Jirama ary nambotry ny mpanjifa herinaratra Malagasy ny fitantanan’ny vahiny sy ny sehatra tsy miankina ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy,
hoy ny sendikan’ny mpiasa nandritra ny fitokonana fanairana nataon’izy ireo omaly teny Soanierana. Efa eo am-pelatanan’ireo sokajin’olona roa ireo ny 87%n’ny seha-pamokarana nefa mbola omena ny Symbion Power indray ihany koa ny fitantanana ny foibe famokarana herinaratra eny Mandroseza mandritra ny 20 taona. Mitsipaka marindrano izany ny fiombonamben’ny mpiasa satria mivaona amin’ny politikam-panjakana io fanapahan-kevitra vaovao io. Voalaza mazava mantsy fa hifototra amin’ny paikady fananganana barazy famokarana angovo azo havaozina ny fanamby napetraky ny fitondram-panjakana izay tokony hahitam-bokatra afaka 7 taona, hoy ny fanazavana azo teny an-toerana.
Fanadihadiana
Vola an-tapitrisany vahiny maromaro no mihodina eo anivon’ny orinasa Jirama saingy tsy mety voavaha ny olan’ny tsy fahampiana famokarana herinaratra. Manampy trotraka izany ny fanenjehana ireo mpiasa ho mangalatra solika sy ny tsy fahafaham-pon’ireo mpanjifa amin’ny fidangan’ny saran’ny faktiora takiana aminy tsy mifanaraka akory amin’ny filana ilainy. Tsy lazaina intsony ny fanofana lafo ireo gropy fananan’ireo orinasa tsy miankina vahiny na ampiasaina izany na tsia. Mitaky fanadihadiana amin’ny zava-misy marina ao anatin’ny orinasa moa ny fivondronamben’ny mpiasa manerana an’i Madagasikara mialoha ny fandraisana fanapahan-kevitra goavana tahaka ny misy ankehitriny.
Fanafoanana ny delestazy
Vitan’ny mpiasa Malagasy ny fanarenana ny orinasa Jirama fa tsy ilaina miandry fanapahan-kevitra avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, hoy ny feo heno teny Soanierana. Azo foanana ao anatin’ny 15 andro ny delestazy eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina amin’ny fanoloana monja ireo fitaovana simba sy tsy mandeha intsony ao amin’ireo ivontoeram-pamokarana angovo Mandroseza sy Ambohimanambola. Vinavinaina ho manodidina ny 50MW mantsy ny filàna amin’ireo faritra ireo nefa mahatratra hatrany amin’ny 66MW ny vokatra vokarin’ireo foibe famokarana roa ireo. Tsy misy afa-tsy 11 MW moa ny herinaratra mivoaka amin’izy ireo amin’izao fotoana izao.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.