Delestazy ekonomika, politika maloto be

Famahanan-dalitra vahoaka sisa paikady


  • Talata 24 Jona 2025

Miha zava-doza hatrany ny delestazy, saingy tsy manam-bahaolana ny Fanjakana.

Tonga hatrany amin’ny filazana zavatra lainga amin’ny vahoaka. "Manampy trotraka ny tsy fahampian'ny haavon'ny rano eny amin'ny toby famokarana herinaratra ao Andelakela ny fahasimban'ny milina mpihary herinaratra ao amin'ny vondrom-pihariana herinaratra Symbion Power", hoy ny seraseran'ny Jirama. Io no nanamafisana fa mitoetra ny fahabangan'ny vokatra ho tsinjaraina eto Antananarivo sy ny manodidina, ka mitohy ny fahatapahan-jiro mifandimby. Narahin'ny Jirama programan'ny fahatapahana io, izay adin'ny telo eo no voafaritra saingy ny toerana maro tapaka tamin'ny 11 Ora atoandro, tamin'ny 3ora hariva vao niverina kely 15 minitra dia amin’ny 6ora hariva vao miverina. Nilatsaka avy eo ny fandisoan'ny Symbion Power nilaza fa: tsy marina ny resaka nataon’ny JIRAMA. "Mandeha tsara ireo motera 4 ao Mandroseza, tsy misy olana teknika izany hoy ny Symbion Power fa miasa tsara ho an’ny Jirama ireo milina ireo mpamokatra herinaratra ireo. Nambara fa miandry ny famatsiana solika fanampiny kosa anefa ny eny Mandroseza. Tsy avy amin’ny olan’ny milina araka ilay vaovao navoakan’ny Jirama izay nofafany avy eo izany no antony mampisy ny delestazy taminà faritra maro teto Antananarivo fa tsy fahampian-tsolika mampandeha ny milina. Manamafy fa delestazy ekonomika no misy saingy itadiavana fomba hanilihana foana.
MPITONDRA MPAMAHAN-DALITRA
Ny Fanjakana Foibe tarihin'ingahy Andry Rajoelina moa efa zary lasa mpanome ohatra ratsy amin'ny fitadiavana ala bala, mitanisa olana, mampanantena lava,... Lazaina tsy nanam-piniavana tamin'ny angovo azo havaozina ny mpitondra nifenesy kanefa 15 taona teo izy sy ny ekipany fa tsy hita izay vokatra. 400MW anaty 5 taona (2018), ho foana ao anatin'ny 6-8 volana ny delestazy (2022); alefa ny milina mandany 200-300 tapitrisa isan'andro ka tsy hisy delestazy intsony amin'ny ora fiasana amin'ny 6ora maraina hatramin'ny 10ora alina (2024);30MW no banga eto Antananarivo amin'ny atoandro ka ho vita hatramin'ny faran'ny taona ny "parc solaires" 30MW hanafoana ny delestazy amin'ny alina (2025),... Voizina mafy ny hoe: angovo azo havaozina kanefa milina brôkantera avy any Inde no ireharehana ihany koa hamahana ny delestazy. Vao fitaterana ireo "blocs moteurs" 70 taonina maromaro lazaina hamokatra 105MW dia efa olana. Hanao ahoana ny solika handefasana azy kanefa ny fampiodinana ny efa misy aza manahirana, ny trosa misavovona,... ? Voalaza fa mahatratra 2 784,54Ar ny trosa tsy voalohan’i Madagasikara hatramin’ny faran’ny taona 2024 raha ny voarakitra ao anatin’ny drafi-panjariana ny Jirama. 1 747, 90 miliara an’ny sehatra tsy miankina, 733,94 miliara Ar an’ny Fanjakana, 132,38 MILIAR Ar an’ireo sampan-draharaham-panjakana izay mbola miampy hetra tsy voaloa teo anivon’ny Kaominina 170,32 miliara Ar
TANTELY AFA-DRAKOTRA
Dia io fa novaina sata io ny Jirama, navadika ho Société Anonyme, mikasa handroaka mpiasa 1037. Ny Fanjakana anefa mirehareha sy mikasa hampiakatra ny tahan'ny fisitrahana herinaratra miainga amin'izao manodidina ny 30% izao raha be indrindra ho lasa hatrany amin'ny 80% hatramin'ny 2030. Iza no hiasa hanao izany sa robot? Ahilika ny eo hampidirana hafa avy amin’ny tompon-trosa ? Miverimberina ny hoe : misy Mafia ao amin’ny Jirama. Tao anatin'izao Fitondrana izao anefa no nisian'ny fizarana vola amina miliara tao amin'ny Jirama nataon'ireo mpitantana fa moa tena voahenjika ve ny lohan'ny mpisorona? Ny orinasa mamatsy herinaratra izay ao anaty fifanarahana ohatra hoe : 40 MW no aloha vola kanefa ny vokatra omeny 20MW ihany,… Ny Jirama sady efa mividy lafo 1100Ar eo ny kWh ary amidy manodidina ny 900Ar. Tsy vao izao no niresahana mafia fa moa tena mahavita miatrika ny tsindry goavan'ireo hery ara-toekarena mifehy ny sehatry ny angovo eto ve ny Fanjakana ? Ny olana tsy voavaha fa mihasarotra, ny toekarena sy fihariana miha potika,... ka sao ny fanamorana ny fahafahan'ny isan-tokantrano angovo mahaleotena amin'ny alalan'ny herin'ny masoandro no irosoana?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT