DELESTAZY AO MAHAJANGA

Noraisin’ny talen’ny JIRAMA ireo solontenan'ny vahoaka


  • Zoma 08 Martsa 2024

Noraisin’ny talen’ny JIRAMA tao amin’ny birao fiasany omaly

ireo olona dimy mianadahy nisolo tenany mponin’i Mahajanga mikasika ny delestazy lavareny mitranga any an-toerana. Fantatra tamin’izany fa vokatry ny fahasimban'ny milina mpamokatra herinaratra ao an-tampon-tanàna no mahatonga izany izay mbola hitadiavana vahaolana hatramin'ny omaly nanoratanay ny vaovao. Nambaran’izy 5 mianadahy ireto moa fa simba tanteraka ny asa fivelomany, manjaka ihany koa ny tsy fandriampahalemana ka tokony hojeren’ny Fitondram-panjakana akaiky amin’izany. Ny vahoaka rahateo hoy izy ireo mahaloa jiro ara-dalana. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ity famahana ny olan’ny delestazy ao Mahajanga ity.

Pati
Legende Izy 5 mianadahy nisolo tena ny mponin’i Mahajanga
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT