Manomboka midangana ny vidim-piainana any Ambatondrazaka vokatr’ilay fahatapahan-jiro any an-toerana. Isan-kariva vao mandeha ny jiro ary noferana ho adiny efatra ihany no hahafahan’ny milina mpitoto vary miasa
Niakatra sahady vokatr’izany ny vidin’ny vary fotsy. Voahelingelin’io delestazy io ny fihariana amin’ny ankapobeny. Betsaka ny miloa-bava fa tamin’ny andron’ny tetezamita izay malaza ho tsy ara-dalàna aza nisy hatrany ny famatsiana herinaratra, ankehitriny efa filoha ambara fa ankatoavin’izao tontolo izao dia indrisy fa vao miha mijaly ny vahoaka. Ny fitondram-panjakana indray ity no mihantsy ny vahoaka hitroatra, hoy ny olona. Ny krizy politika tsy mbola voavaha, misosoka indray ity ny krizy ara-tsosialy. Raha tsy mahita vahaolana haingana mahakasika an’io ny fitondram-panjakana dia hiteraka fipoahana ara-tsosialy io delestazy lavareny any Ambatondrazaka io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.