Delestazy 8 ora isan'andro

« Ahiana hitroatra ny vahoaka monina amin'ny RN1 »


  • Alatsinainy 02 Jona 2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Efa tsy tsaroan'ny orinasa Jirama intsony ny fisian'ireo mpanjifany marobe any amin'ny lalam-pirenena voalohany. Tapaka ora 8 isan'andro ny herinaratra raha kely. Manomboka etsy Fenoarivo Atsimondrano no miaina izany ka hatrany Arivonimamo. Ho an'ity distrika farany dia nambaran'ny Ben'ny tanana voafidy any an-toerana fa ora roa isan'andro monja sisa no mba mandeha ny jiro hany ka potika avokoa ny asa fihariana madinika tanterahin'ny mponina mila jiro, tsy afaka miaina amim-pilaminana ny mponina raha betsaka ihany koa ny asa fitadiavana tsy mandeha. Mahatsapa loatra izany ny depiote Rajerison Antoine voafidy any an-toerana ka nivoaka tamin'ny fahanginana ihany koa. Nambarany fa raha mbola mitohy izao fahatapahan-jiro lava izao ka tsy hijery vahaolana mihitsy ny tompon’andraikitradia mety hirotsaka an-tsehatra miaraka amin'ny vahoaka ihany tenany amin’ny maha solontenam-bahoaka azy. Haneho miaraka amin'ny mponina ny tenako hoy izy fa mijaly ny vahoaka ary tsy rariny intsony izao zava-misy izao.Notsoahiviny moa fa nataony ihany ny hiafy sy hiaritra, fa tafahoatra loatra ilay izy ka tsy zaka intsony. Miantso ny fanjakana sy ny Jirama handray ny andraikiny araka izany ity solombavambahoaka ity fa tsy sanatria hiandry ny vahoaka hitroatra vao hikoropaka sy hitady vahaolana.
Pati
Légende : Sorena mafy ny amin'ny fahatapahan-jiro lavareny any amin'ny faritra misy azy ny depiote Antoine !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT