Delestazy 7 minitra mampiaka-peo loholona

Ary ahoana ny fahatapahana ora maro mahazo ny vahoaka ?


  • Talata 13 Aogositra 2024

Tapaka ny herinaratra nandritra ny fanolorana ny Politika Ankampoben’ny Fanjakana omaly

tetsy amin’ny Lapan’Anosikely. Maty nandritra ny 7 minitra mahery ny herinaratra ny andron’ny omaly, ka nahatapaka ny fampitana mivantana tamin’ny fahitalavitra. Namatrapatratra ny Filoha Lefitry ny antenimierandoholona Atoa Nicolas Rabemananjara noho ny fahatapahana. Tamin’ny andron’ny Filoha teo aloha Ratsiraka fa nigadra tany amin’ny « prison militaire » ny miaramila miandraikitra ny herinaratra tany an-dapa vao misy fahatapahana 3 minitra ny jiro, hoy ny fampahatsiahivana. Niaiky fa tena marina tokoa hoe : tena mitaraina ny vahoaka Malagasy. Raha io fahatapahana tsy manam-pahataperana io dia tokony higadra firy andro na firy volana na firy taona izany ny mpitondra ? Fahatapahana fito minitra aza mahatezitra ny loholona ary tonga hatramin’ny fibedesana na fandrangarana sazy ho an’ny mpiasa miantsoroka ny herinaratra ao anaty lapam-panjakana ka mba azon’ny mpitondra an-tsaina ve ny fahatezeram-bahoaka eo anatrehan’ny fahatapahana adin’ny iray hatramin’ny adin’ny dimy ary misy aza mihotra ny adin’ny folo na iray andro mihitsy any amin’ny faritra sasany ? Nanamafy an’io ny Filohan’ny Antenimierandoholona dia ny Jeneraly misotro ronono Atoa Richard Ravalomanana fa hoe : tany amin’izay nalehanay dia betsaka no nitaraina amin’ny delestazy. Ity ilay miantehitra amin’ny solika ity tena manahirana, mora ho an’ilay tompon’andraikitra ny manodina azy, ka na ampiana ny fanaraha-maso ny mpiasan’ny Jirama, na manao izay araka izay azo atao amin’ny fampiasana angovo azo havaozina, hoy izy. Mihamafy hatrany moa ny fahatapahana ka anisan’ny nolazaina fa antony ho an’ny omaly ny olana ara-teknika, niampy ny filazana fa tapaka ny taribin-jiro mitondra herinaratra mahery vaika 63Kv mampitohy an'Ambohimanambola sy Ambodivona ka mampihato tanteraka ny famatsian herinaratra miainga ao amin'ny « sous-station » Ambodivona. Efa tsy vaovao intsony ny fitanisana olana sy fitadiavana zavatra hanaovana serasera ho anton’ny olana. Mbola lavitry ny kitay ny afo, ary tsy arakaraka ny fandrangarangana fanasaziana ara-bola 5% eo anatrehan’ny fahataran’ny faktioran-jiro sy rano. Ny tolotra anefa tena tsizarizary, fa tsy arakaraka ireo fampanantenana zavon-tany sy vava be nataon’ny mpitondra ankehitriny fony mpanohitra.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT