DELESTAZIN’ITAOSY SY FENOARIVO

Tsy hananana faran’ny herinandro milamina intsony


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Tsy manana faran’ny herinandro milamina intsony ny mponin’Itaosy sy Fenoarivo,

samy ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano vokatry ny delestazy lavareny. Tena nahasorena ny maro mihitsy izany nanomboka ny Sabotsy teo. Teny Itaosy no nisantatra azy izay tapaka nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 07 ora hariva. Nitohy teny Fenoarivo indray izany nanomboka tamin’ny 08 ora alina ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 03 ora maraina Ny tsy fandriampahalemana anefa eo an-daniny tsy lazaina intsony. Maneno tsy hifandrenesana mandritra ny ora maromaro ny alika. Misy ny miantso vonjeo ankoatra ireo miteny ratsy sy mitabataba izay tsy voavinavina intsony na mpangalatra tratra na olona mifamono….Mamofompofona ny hitokona indray ny mponin’Itaosy sy Fenoarivo noho izany. Efa tena mihoatra ny fefy loatra mantsy ny hataon’ny JIRAMA izay tsy maintsy hamoronana 1.200 Ar isan’andro raha kely hividianana labozia ho an’ny efitrano miisa 2.
Pati
Legende : Efa vidiana 600 Ar koa amin’izao ny labozia kely dia kely tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT