Actualités

Delegen’ny Boriboritany Fahatelo “Sarotra ary enjana ny fitehirizana boky”


  • Zoma 03 Martsa 2023

Boky efa hatramin’ny taona 1964 no tehirizina ato amin’ny biraon’ny boriboritany fahatelo, hoy ny delegen’ny boriboritany ao an-toerana, Ramiandrisoa Rabaritsimba Lalaina.

59 taona lasa izany, hoy izy. Iderako ny mpiara-miasa ny fahaizana ny tahiry sy nikolo izany satria raha tamin’ny 40 taona lasa ny boky dia toy ny “emballage” ny ateviny. Raha haka ohatra isika hoe bokin’olona teraka ny taona 1990, izany hoe, 33 taona lasa, dia ny boriboritany fahatelo izay faritana fa be olona mianatra, miasa, isany voalohany eto Antananarivo renivohitra, raha raisintsika hoe bokin’olona miisa 2000 fotsiny, kely anefa izany, raha miodina isan-taona izany iny boky iny dia efa mihoatran’ny in-10.000 iny izay no nivadibadika. Sarotra ary enjana ny fitehirizana boky. Ny filazana tsy fantatry ny olona fa tranga mety hisy izany boky rovitra izany fa noho ny tsy fahalalany dia mety hisendaotra na hiteniteny foana. Tsy tsapan’ny olona anefa izany ka tokony hitandrina ihany izy. Tokony hanatona angataka fanazavana fa ny filazana tsy misy porofo na “affirmation gratuite” sy fanehoan-kevitra entin’ny fihetseham-po diso tafahoatra dia tsy dia mety loatra ary fantantsika fa enjehin’ny lalàna. Raha misy faharovitan’ny boky dia alefanay any amin’ny tribonaly izy ireo satria misy dika mitovy eny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija Legende: Ny delegen’ny boriboritany fahatelo

 

 

 

 

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT