Nodimandry teo amin’ny faha-78 taonany ny sabotsy lasa teo teto Antananarivo Rtoa Maho Anjinee Jeannette Vivyan,
vadin’Atoa Latimer Rangers Randrianasolo Joseph, ity farany izay fantatry ny maro amin’ny maha mpanao gazety zokiolona azy ankoatra ny sehatra samihafa nahalalana ny tenany. Tonga naneho fiaraha-miory tamin'i Latimer Rangers noho izany famoizana ny vady andefimandriny izany ny antoko Tiako I Madagasikara notarihin'ny Sekretera Jeneraliny Atoa Rina Randriamasinoro, ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa sy ireo lohan’ny mpisorona sasany ao amin’ny antoko omaly, tao aminy trano fonenany tao Faravohitra. Hiala eny an-toerana anio maraina ny razana, hatao veloma farany ao amin’ny FLM Ambatovinaky amin’ny 8ora eo, ary hoentina any Antanimora Sud Androy, toerana handevenana azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.