Tonga nitsidika ny ozina STAR tao Ambatolampy ireo delegasiaona manokan’ny SADC,
notarihin’ny Sekretera Mpanatanteraka Lefitra, Angele Makombo N’Tumba, ny zoma 01 Aogositra lasa teo. Fitsidihana izay namarana ny fanamarihana ny herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria ao anatin’ny vondrona SADC. Naseho ireto delegasiaonina maherin’ny 50 isa , izay nahitana mpitsidika vahiny sy solontena avy amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina malagasy ireto avokoa ny fahaiza-manao hananan’ny malagasy sy ny hatsaran’ny fitaovana indostrialy ampiasain’ity orinasa iray ity. Fotoana ihany koa io nifampizarana sy niresahana ny fampivoarana ny indostria izay mifandray amin’ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana sy ny hoavin’io sehatra io aty amin’ny faritry ny SADC. Ny ozina ao Ambatolampy dia toeram-pamokarana matanjaka sy manaraka ny teknolojia, nampiaiky ireo delegasiaon’ny SADC. Isan’ireo ozina miisa 5 hananan’ny Star ny ozina Ambatolampy ary mitana anjara famokarana lehibe eo anivon’ny orinasa, amin’ny fanodinana ireo vokatra eto an-toerana. Afaka mamokatra zava-pisotro hatramin’ny 1 943 000 Hl isan-taona ny ozinina STAR Ambatolampy, izay iray ampahatelon’ireo vokatra vokarin’ny STAR isan-taona. Izy ihany koa dia mamokatra ny ankamaroan’ireo zava-pisotro sitrahan’ny mpanjifa : labiera, panachés, zava-pisotro misy gazy, zava-pisotro mampatanjaka, rano misy gazy, alcoomix ary mikasa hamokatra rano fisotro amin'ny tavoahangy vera.Ny ozina Ambatolampy dia toy ireo ozina Star rehetra. Manana ny sertifika FSSC22000 V6 (fiantohana ara-pahasalaman’ny sakafo), ny ISO 9001 (fiantohana ara-kalitao), ISO 45001 (fiantohana ny fahasalamana sy ny fiarovana amin’ny asa) ary ny ISO 14001 (fiantohana ara-tontolo iainana) izy.
Pati
Légende : Nandritra ny fitsidohana notanterahin'ireo delegasionan'ny SADC tany Ambatolampy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.